Tsy tomombana ny laza adina: Homena “bonus” ny mpiadina tamin’ny bakalorea

Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea eny amin’ny Oniversiten’­ Antananarivo, hatramin’ny omaly. Nandritra ny fivoriana iraisan’ny mpitsara rehetra, izay mpampianatra ny ankamaroany, nisongadina fa nisy tsy fahatomombanana betsaka ny laza adina natrehin’ny mpiadina. “Nahitana izany avokoa ny taranja rehetra na literera na siantifika”, hoy ny mpampianatra, mpitsara. Efa miverina isan-taona ity olana ity nefa tsy mety ahitana vaha­olana matotra, araka ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra iray. Mahamenatra raha fanadinana hidirana any amin’ny fampianarana ambony no misy olana miverimberinatahaka izao.
Ho an’ny taranja Fizika simia manokana, tsy maintsy hanome “bonus” ny mpiadina ny mpitsara satria tsy avy amin­’izy ireo ny hadisoana fa ny laza adina no mivaralila tanteraka. Ho an‘ny sokajy S sy C ny “bonus” raha tsy hampiharina kosa ho an’ny sokajy D. Ny fivoriana, “réunion d’entente”, eo amin’ny samy mpitsara ny taranja tsirairay no mamaritra ny fanapahan-kevitra horaisina manoloana ny tranga.

Vonjy

Partager sur: