Taorian’ny fikaonandoham-paritry ny tanora isaky ny faritra, notanterahina teto Antananarivo ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fanavaozana. Eny amin’ny CCI Ivato, mandritra ny hateloana, nosantarina omaly, izany. Tanora 700 mahery, avy amin’ny Faritra 24, voasolo tena ao avokoa ary hitondra ny
feon’ny tanora namany. “Nanomboka teny amin’ny kaominina, nakana ny hevitry ny tanora rehetra, indrindra ireo manana fahasembanana ny fikaonandoham-paritra natao”, araka ny fanambaran’ny solontenan’ny tanora avy any Atsimo Andrefana, Randrianasolo Manosotse. Mangataka izy ireo mba hisy olona manana fahasembanana any amin’ireny minisitera ireny sy ny fitondrana Fanavaozana.
“Ny Unicef sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana maromaro no miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tanora, nandritra ny dingana rehetra hatramin’izao fikaonandoham-pirenena izao”, hoy ny solontenan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana mpisolo toerana. Mihaino sy manohana ny Firenena mikambana, hoy ihany izy.
“Manana tanora herin’ny firenena i Madagasikara ka ny fakan-kevitra tanterahina dia hatao manan-danja ho fitaovana hanavotra ny firenena. Satria hery mamelona ny fanavaozana”, hoy ny mpanolotsain’ ny Fanavaozana, Randriamiarisoa Gervais. Hiady hevitra, hifampihaino ireo solontenan’ny tanora ary hamoaka antontan-kevitra nasionaly entina hanavaozana ny firenena.
Vonjy




