Fandraisana mpampianatra vaovao : Hahazo toerana ny mpianatry ny ENS sy ny ENF

Nisy fihaonana tamin’ireo fikambanan’ny mpianatra na­havita fianarana tao amin’ny Ecole normale superieur (ENS) sy ny minisitry ny Fanabe­azam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, tamin’ity herinandro ity. Taorian’ny fangatahana vahaolana nataon’ny mpianatra momba ny fandraisana mpampianatra ka nanomezany 48 ora ho an’ny minisitera mpiahy izany. Nizotra tsara ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta ary nilaza ny minisitra fa lalana mahomby hitadiavana vahaolana hatrany ho an’ny fanabeazana ny dinika tahaka izao.
Nohamafisina fa hisy fandraisana mpampianatra ho an’ity taona ity ka eo am-piandrasana ny fanambarana ofisialy ny rehetra. Rehefa mivoaka izany, hampahafantarina amin’ny fomba mangarahara ny fepetra sy ny dingana rehetra tokony harahina mahakasika ny fandraisana.
Voalazany koa fa tsy misy sokajy atao ankilabao na ireo nahavita fianarana eo amin’ny ENS na ENF (mpampianatra Fram). Samy manana ny anjara amin’ny fandraisana mpampianatra izy ireo satria ny minisitera dia mijoro amin’ny fotokevitra mivoy ny rariny sy ny fitovian-jo ary ny mangarahara.
Ho an’ireo mpampianatra be taona, efa nisehatra nandritra ny taona maro tamin’ny fanabeazana, kosa nefa tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana, hojeren’ny minisitera sy ny sampandraharaha voakasika manokana izy ireny.
Nanambara koa ny solontenan’ny mpianatra avy amin’ny ENS, Ralaifitahiana Ronaldo, fa nihaino ny hetaheta ny minisitra mpiahy sady nampanantena fa hisy fandraisana mpampianatra ka anisany hahazo toerana ny mpianatra nivoaka avy ao amin’ny ENS.

Vonjy

Partager sur: