Vahaolana amin’ny fitohanana: Manomboka ny fanamboarana ny Flyover

Haharitra 24 volana ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Nanomboka tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny fa­­­namboara­na ny te­tikasa Flyover eny Anosizato. Hetsika notarihin’ny ny Filo­han’ny fanavaozana, ny Kolo­nely Randrianirina Michaël. Haha­ritra 24 volana ny tetikasa entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miten­tina hatrany 128 mi­liara Ar ny tetikasa izay vatsian’ny Banky Arabo ho an’ ny fampandrosoana ny Toeka­rena aty Afri­ka (Badea). « Ma­no­didina ny 25,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ataon’ny Badea raha 2,8 tapitrisa dolara kosa ny anjaran’ny fanjakana malagasy », hoy ny filoha, tamin’ny lahateniny.
Hizara dingana maromaro ny fanatanterahana ny asa. Hisy ny fanamboarana tetezana roa vaovao eny an-toerana hanoloana ilay efa antitra sy tsy mahazaka ny fivezivezen’ny fiara. Ankoatra izay, hisy ny fa­namboaran-dalana manodidina ny 1,8 km. Hala­lahana ny lalana manomboka eny Anka­dim­bahoaka hatreny amin’ny Maki mba hialana amin’ny fitohanana, hoy hatrany ny filoha.
Notokanana omaly ihany koa ny lalana mampitohy an’ Ambatobe sy Soamanan­dra­riny ary Ambohimahitsy. Tanjo­­na ny hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana entana, ary hanamaroana ny fifamoivoizana eny amin’ny manodidina. Namatsy vola ny tetikasa ny Tahirim-bola ho an’ny Fiko­jakojana ny Lalana (FER) nentina nanamboarana ny lalana mirefy 2,468 km.

Henintsoa

Partager sur: