CFME andiany faha-10 : Hifantoka amin’ny fampananana asa ny tanora

Hotanterahina ny 4 ka ha­tramin’ny 8 aogositra, eto Anta­na­narivo, ny andiany faha-10 amin’ny «Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi (CFME)». Hetsika karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT). Lo­ha­hevitra amin’ity taona ity ny hoe «Ta réussite à portée de main» (Manakaiky anao ny fahombiazanao)». Hisy fihaonambe sy atrikasa ao amin’ny AFT Andavamamba, ny 4 ka hatramin’ny 6 aogositra. Hore­sahina manokana ny momba ny fitarihana amin’ny asa, ny asa vao misondrotra, ny fandraharahana, ny niomerika ary ny fahafahana mianatra sy hiasa any ivelany. «Hanampy ny tanora ha­hafantatra ny fa­haiza-manao takin’ny mpampiasa sy ny sehatra ahafahany mivelatra ireo fifanakalozana», hoy ny tale jeneraly lefitry ny AFT, Rakotonanahary Miora, raha nampahafantatra ny CFME teny amin’ny Campus Yas Andraharo izy, ny alakamisy teo. Hitohy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika, ny 7 sy 8 aogositra ary maimaimpoana ny fidirana. Manodidina ny 40 ny oniversite, ivontoeram-piofanana, orinasa ary masoivoho mpampifandray asa handray anjara amin’izany. Afaka ma­metraka CV, manao dinidinika fohy ary miresaka mivantana amin’ny mpampiasa ny tanora momba ny fampiofanana an-tsehatra ary ny asa. Anisan’ ireo mpandray anjara amin’izany ny Yas Mada­gascar. «Vonona izahay hanohana ny tanora sy hitondra azy ireo mankany amin’ny hoavy tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fahafahana mifanaraka amin’ny fahaiza-manaony», hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Yas Ma­dagascar, Randrianjatovo­narivo Henintsoa.

Henintsoa

Partager sur: