Noho ny ezaka misongadina ataon’ny foibe fitaizana zaza kamboty sy sahirana na ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely dia nanao tolo-tanana ny Fondation Axian.
Nanome kubota na milina enti-miasa amin’ny famokaram-bary ho an’ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely ny Fondationa Axian.
Tanjona ny hahafahan’ny akany mahaleo tena ara-tsakafo ary tsy hiankin-doha intsony amin’ny famahanana ireo ankizy beaziny. Manana ny tany midadasika hamboleny vary any Ambatondrazaka ny akany fa ny tohana amin’izany famokaram-bary izany no tena ilainy.
Mitaiza ankizy kamboty sy zanaka sahirana, ny ankizy mpatory an-tsena ary ireo zaza kambana arian’ny havany ny akany Mamitiana.
Tsy mora ny fikarakarana ireo ankizy ka mila ny fanohanan’ny malala-tanana hahafahana miahy ireo ankizy marefo ireo, raha ny fanazavan’ny talen’ny akany.
Ankoatra ny sakafo sy ny fampiantranoana, beazina ho tonga olom-banona indrindra koa ny zaza sy ankizy.
Rehefa mahavita mamokatra samirery ny ampahany amin’ireo loharanon-karena ilainy ny trano fitaizana ankizy sahirana dia afaka mampiasa vola sy loharanon-karena bebe kokoa amin’ny andraikitra fototra izy ireo, dia ny fikarakarana ny ankizy, ny fanabeazana azy ireo ary ny fanomanana ny hoaviny.
Efa telo taona izao no nanohanan’ny Fondation Axian ireo trano fitaizana kamboty sy ivon-toerana fandraisana ankizy maromaro eto an-dRenivohitra, mba hamaliana ireo filana fototra iainan’ireo ankizy marefo.
« Efa taona maro izao no nanohanantsika ireo trano fitaizana ary tianay ny handroso bebe kokoa amin’ny fanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo. Satria ankoatra ny fanampiana omena anio, manana andraikitra ihany koa isika amin’ny famoronana ireo fepetra ahafahan’ireo rafitra ireo manohy maharitra ny asa ataony ho an’ny ankizy », hoy i Jessica Razakamanantsoa, mpitondra tenin’ny vondrona Axian.
Tatiana A




