Ao anatin’ny sahanasa ataon’ny Yess Girl izay manao fifanakalozana eo amin’ny Fanilon’i Madagasikara ny Stem na ny Science, Technology, Engineering, Mathematics.
Tanjona ny fampirisihana ny ankizivavy hisehatra bebe kokoa amin’ny siansa sy fikarohana manome lanja vokatra ara-tsiansa.
Samy nanomana tetikasa mivaingana ireo ankizivavy teo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara. Misy ny nanao “Radar”, fanamboarana fanalana fofon-kelika izay vokatra biolojika avy amin’ny zava-maniry, nisy ny nanao asa tanana misarika ny ankizivavy amin’ny Stem, ny hafa nanao karazana tsiranoka azo avy amin’ny zava-maniry hanalavana volo izay mahasarika indrindra ny ankizivavy amin’izao fotoana rahateo.
Ny mpandray anjara dia avy ao amin’ny Paroasy Mangasoavina, Paroasy Antanimena, Paroasy Ambohimirary ary Paroasy St Croix Ampahibe.
Nisongadina ireo ankizivavy namokatra ny “Radar” ary nivoaka mpandresy tamin’ny tetikasa nataony izay niavaka sy namoaka ny lentan’ny siansa mifandraika amin’ny filana amin’izao fotoana. Avy ao amin’ny Fivondronona/ Paroasy Antanimena izy ireo.
Tatiana A




