Nifarana ny volana jolay lasa teo ny fakan-kevitra nasionaly, natomboka ny volana febroary lasa teo, tany Antsirabe, izay nataon’ireo tanora manana fahasembanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana. Nisongadina fa misy olana ny fisitrahan’ireo sokajin’olona ireo momba ity zo ity ka manao antso ho an’ireo firaisamonim-pirenena sy ny fitondram-panjakana izy ireo manoloana ny zava-misy. Nivoitra nandritra ny fihaonana tamin’ireo tanora ireo tany Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe ary teto Antananarivo fa misedra fanilikilihina sy herisetra izy ireo. Sarotra ho an’ny olona manana fahasembanana ny hikarakara ny fahasalamany satria tsy nahazo fiofanana momba ny fandraisana an-tanana azy ireny ny mpiasan’ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa rahateo tsy ahazoana mivezivezy eny amin’ny tobim-pahasalamana. Marefo kokoa ny olona manana fahasembanana manoloana ny fanolanana sy ny herisetra satria tsy omen’ny manam-pahefana lanja ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo niharany.
« Jereo manokana izahay tanora manana filana manokana ». Io no antson’ireo tanora manana fahasembanana mitaky fanavaozana azo tsapain-tanana.
Tokony hifanaraka amin’ny filan’ny olona manana fahasembanana ny toeram-pitsaboana ary manome tolotra maimaimpoana na amin’ny sarany mirary. Zava-dehibe koa ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana hifehy ny tenin’ny tanana sy ny fandraisana manokana ny olona manana fahasembanana marary na koa mila torohevitra momba ny fananahana ara-pahasalamana. Ny tetikasa M’iray 2.0 sahanin’ny Autisme Madagasikara no manatanteraka ny fanohanana ireo tanora manana fahasembanana ireo momba ny zo sy fananahana ara-pahasalamana. Manohana ara-bola ny Amplify Change.
Vonjy




