Fihaonambem-pirenena ho an’ny tanora : Nanome soso-kevitra ny Observatoire de la Jeunesse

Nanara-maso akaiky ny zava-nisy nandritra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny Observatoire de la jeunesse. Nitondra soso-kevitra hanarenana ny lesoka izy ireo.

Nahatsikaritra ny Obser­vatoire de la Jeunesse fa nisy tsy fitoviam-pijery teo amin’ny samy tanora, momba ny fanatanterahana ny fihaonambem-pirenena ho an’ny tanora, natao ny herinandro teo. Vokatry ny fire­hana ara-politika sy ireo traikefa ratsy teo aloha izay heverin’ny maro fa tsy nahafa-po no nahatonga izany.
Naneho fahavononana handray anjara amin’ny fanorenana ny firenena anefa ny ta­nora malagasy tao anatin’ izany.
Hitan’ny Observatoire ihany koa fa nisy madilana hotete­nina tamin’ny fanomanana ny adihevitra na dia niezaka nanetsika ireo manam-pahaizana anatiny sy ivelany aza ny minisitera tompon’andraikitra. Tanjona ny hiatre­hana ireo fanamby ara-metodolojia sy ny tsy fahampian’ny fitaovana, ka nahafahana namoaka ny fanambarana farany.
Ho fanatsarana ny hoavy, indrindra ireo fifampidinihana kasain’ny FFKM hatao mia­inga any amin’ny fokontany, ilaina ny fanentanana sy fanazavana mazava mialoha. Voakasik’izany ny momba ny votoatiny manazava ny maha samy hafa ireo endriky ny fanjakana (federalisma, fitsinjaram-pahefana…). Eo koa ny ambaratongan’ny soso-kevitra fanavahana ny sehatra ara-lalàmpanorenana, ara-dalàna sy fitsipika, na politikam-pirenena. Ny endriky ny vokatra farany andrasana amin’ilay fikaonandoha izay manazava ny fandehan’ny antsoina hoe fehin-kevitra, izay tokony manana endrika fanambarana ankapobeny sy tari-dalana stratejika.
Soso-kevitra atolotry ny Observatoire ny tokony hisian’ ny mangarahara sy fahamatorana amin’ny fifantenana ireo mpandray anjara. Miankina amin’ny mangarahara, tsy mitanila ary azon’ny rehetra jerena ny fisafidianana ireo mpandray anjara no maha ara-drariny ny fihaonambe.

Tatiana A

Partager sur: