Vallée de l’est : Mitohy ny fanadiovana ao Masay

Fotoanan’ny maintany toy izao no anaovana ny fanadio­vana ireo karazana lakandrano hahafahana miatrika ny fahavaratra. Manohy ny asa ny Apipa ka mizara ho ekipa maro­maro ny mpiasa. Tanjona ny hahafahana manatanteraka asa amin’ny toerana maro indray mandeha.
Ny iray amin’ireo ekipa dia miasa eny Masay, manohy ny fanadiovana ny Vallée de l’Est, izay fotodrafitrasa lehibe mi­tana anjara toerana amin’ny fanariana sy fitantanana ny ranon’ orana eto amin’ny lemak’Antananarivo.
Manala ireo fako, fotaka ary ireo zavatra hafa manentsina ny lalan-drano mba hamerenana amin’ny laoniny ny fikoria­nan’ny rano sy hiantohana ny fahombiazan’ny lakandrano, indrindra mandritra ny fotoanan’ny orana.
Ao anatin’ny ezaka mitohy ataon’ny Apipa amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa fiarovana amin’ny tondradrano no anatanterahana ny asa. Ny fanadiovana tsy tapaka ny lakandrano dia manampy amin’ny fisorohana ny fahatsentsenana, mampihena ny mety hisian’ny tondradrano, ary miaro ny mponina sy ny fananany.
Manaitra ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fitan­droana ny fahadiovan’ny lakandrano sy ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny tsy fanariana fako eny amin’ny lalan-drano sy ny fanajana ireo fotodrafitrasa iombonana ny Apipa.

Tatiana A

Partager sur: