Tatoavan-draho-mainty amin’izao fotoana izao, ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy. Taranja roa malaza eto Madagasikara no misaona dia ny rugby sy ny baolina kitra amin’ny torapasika (beach soccer). Ho an’ny baolina lavalava, fantatra fa nindaosin’ny fahafatesana omaly, i Bienvenu (Tsiliva). Mpilalaon’ny FTM Manjakaray avy eo Uscar ary niasa tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa nanatevina ny Makis, tamin’ny taona 2012 izay nandrombaka ny Can rehefa nandresy ny Springboks Afrika Atsimo. Ny alahady lasa teo kosa no maty i Angeluc, mpilalao baolina kitra amin’ny torapasika (beach soccer). Mpilalaon’ny ekipan’i Boeny Itompokolahy ary efa tao anatin’ny Barea de Madagascar beach soccer ihany koa, izay nandrombaka ny ho tompondakan’i Afrika Can 2019. Niatrika ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Portugal. Anisan’ny mpamono baolina hikoizana, tao amin’ny barea beach soccer, izy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Bienvenu sy i Angeluc, ny gazety Taratra.
Tompondaka




