Analakely : Notsirihina ireo mpivarotra sakafo

Ho fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana eny an-tsena, nidina teny amin’ny Pavillon Analakely ny ekipan’ny CUA. Ho an’ireo mpivarotra legioma dia tokony hanana sobika sy kifafa ny mpivarotra tsirairay. Ireo nahitana loto teo amin’ny manodidina ny toeram-pivarotany dia nasaina nanadio avy hatrany.
Ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny zaimaika dia tsy maintsy mampiasa vata fitaratra mihidy tsara hiarovana ny sakafo amin’ny vovoka sy ny bibikely. Tokony hanana taratasy fankatoavana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fahasalamam-bahoaka hahafahana mivarotra ireo sakafo ara-pahasalamana. Tokony hanana taratasy fanamarinam-pahasalamana avy amin’ny BMH ihany koa ireo mpivarotra sakafo masaka ho fiarovana ny ain’ny mpanjifa.
Ny fanajana ireo fepetra ireo dia miantoka ny fahadiovan’ny tsena sy miaro ny fahasalaman’ny mpivarotra sy ny mpanjifa.
Tsy tokony hisy intsony ny varotra sakafo gaboraraka tsy manaja ny fahadiovana ka mety hitera-doza ho an’ny mpihinana. Toerana be mpanjifa rahateo ny eo Analakely noho ny hamaroan’ny olona miasa sy mianatra eny an-toerana ka tena ilana fanaraha-maso hentitra ny fahadiovan’ny sakafo amidy. Voakasik’izany ny sakafo masaka sy ny sakafo manta na amin’ireo gargoty na eny an-tsena.

Tatiana A

Partager sur: