Herinandro no nanatanterahana ny hetsika fandidiana molotra sima tao amin’ny CHU Anosiala. Hetsika izay nokarakarain’ny ONG Well International sy ny CHU Anosiala.
Fandidiana maimaimpoana ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny molotra na sima, miisa 20 nahitana zaza sy olon-dehibe.
Nisy ny fizarana traikefa sy fampiofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana miofana ho mpandidy. Miisa 9 ireo dokotera nisitraka izany fampiofanana izany ka ny 6 amin’izy ireo dia avy any amin’ny faritra.
Ny CHU Anosiala dia anisan’ny toeram-piofanana ho amin’ny fandidiana. Nisy, noho izany, ny fizarana mari-pahaizana ho an’ireo nahavita fiofanana.
Marihina fa tsy vao izao no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta fa efa nisy ihany koa teo amin’ny fitsaboana maso, ny ativava sy fanomezana fitaovana ho an’ny hopitaly.
Mitohy ny fiaraha-miasa ka amin’ny volana oktobra indray ny andiany manaraka.
Manavotra olona ny fisian’ny hetsika maimaimpoana toy izao. Miantoka ny fivoaran’ny fahatsaran’ny endriky ny olona ny fahavitan’ny fandidiana. Tsy hisy henatra intsony rehefa voahitsy ny sima teo amin’ny molotra.
Tatiana A




