SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina manomboka anio ka hatramin’ny 15 aogositra, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena D2 National, taranja baolina kitra lehilahy sy ny fifaninanam-pirenena sokajy vehivavy. Kianja enina no handray izany dia ny any Antalaha, Ambatondrazaka, Mahajanga, Tsiroanomandidy, Antsirabe ary Ihosy.

Ao amin’ny vondrona “B” ny Akio-n’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sokajy “junior” lehilahy. Miaraka amin’i Nigeria sy i Angola ary i Algerie. Miray sokajy amin’i Tunisie sy i Algerie ary i Nigeria indray ny “cadet”. Fifaninanana hatao any Abidjan Côte d’Ivoire ny 5 – 12 septambra 2026.

Ho tafaverina an-tanindrazana, amin’ny sabo­tsy ho avy izao ny ekipam-pirenena malagasy taranja tsipy kanetibe sokajy “junior” lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Espagne, ary nandrombahan’ny Malagasy ny medaly volamena, teo amin’ny olon-droa miaraka lahy sy vavy.

Partager sur: