For Good Connections Days:  Ankizy 600 nentanin’ny Orange Madagascar

Notanterahina tany Toa­masina, ny 31 jolay sy ny 1 aogositra lasa teo, ny andiany faharoa amin’ny “For Good Connections Days”. Hetsika nokarakarain’ny Orange Ma­dagascar, hanentanana ny ankizy sy ny ray aman-dreny amin’ny fampiasana amin’ny lafiny tsara ny niomerika, amin’ny alalan’ny baolina kitra ho fitaovana mahomby amin’izany.
Nahavory ankizy 600 mianadahy ity andiany ity, avy any Toamasina sy Antana­narivo. Manodidina ny 11 sy 13 taona izy ireo. Nahatratra 8 ireo ekipa nandray anjara dia ny JM, ny Centre Plus, ny AJSE, ny BMT, ny JSME, ny Black Star, ny Ankizlnnov (ankizy avy amin’ny sekoly niomerika Orange Toama­sina), ny Orange (Zanaky ny mpiasa).
Taorian’ny fifaninanana, nivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny Orange, nanoloana ny Ankizlnnov ary ny AJSE, ny fahatelo. Ankoatra ny fanatanjahantena, nisy koa ny fampahafantarana ireo kilonga sy ireo mpilalao ary ireo ray aman-dreny nanotrona ny fomba ampiasana ny niomerika. Nisy koa ny “zumba” sy ny fitsidihana fikarohana. Teo koa ny atrikasa fanabeazana nahitana sary hosodoko lehibe sy lalao “digital”. Ireo re­hetra ireo dia hahazoana manentana ny fampiasana niomerika ho fanohitra amin’ny fampandrosoana fa tsy hitarika amin’ny lalan-diso. Vina lavitra ezaka ho an’ny tetikasa ny hanentana olona 6 tapitrisa, hatramin’ny taona 2030.

Tompondaka

Partager sur: