Hatao anio any amin’ny foiben’ny Caf ao Egypte, ny antsapaka hahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “ligue des champions” sy ny amboaran’ny kaonfederasiona “coupe de la Caf”, taranja baolina kitra. Ho fantatra eo izany izay ho mpifanandrina amin’ny CFFA sy ny FC Rouge.
Misongadina ny ekipa malagasy, UBMT tsipy kanetibe any France eo amin’ny fiatrehana ny “Tournée estivale”. Tafakatra hilalao ny famaranana i Tinakely sy i Onja teo amin’ny fiadiana ny “National doublette du Puy-en-Velay. Mamiratra ihany koa i Yves, eo amin’ny fiatrehana ny “Masters”.
Tanteraka omaly ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka D2 National, taranja baolina kitra. Tany Mahajanga, nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny Racing FC sy ny AS COM Mahabat. Tany amin’ny kianja Tsiroanomandidy, ho an’ny vehivavy lavon’ny Ascuf tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Cosfa.




