Hanazatra ny ekipa U23 an’ny Al Merrick Soudan, ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Hameno ny tsy ampy amin’ny mpilalao maratra na mihena fahaizana ao amin’ny D1 izy.
Nitondra fanazavana mahakasika ny handehanany any Soudan, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera, Rakotondrabe Romuald (Coach Rôrô), omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa raikitra ny fifanarahany amin’ny klioba Al Merrick. Tsy hanazatra ny ekipa zokiny, D1 izy fa ny U23. «Herintaona azo havaozina ny fifanarahana, arakaraka ny vokatra azo sy ny asa vita”, hoy izy.
Nohazavainy fa matihanina ny Al Merrick. Mitovy amin’ireny klioba goavana any Eoropa ireny. Ny mpilalao maratra na mihena ny fahaizany, alefa maka hery sy tanjaka ao amin’ny ekipa fiandry. Efa niaina izany ry Neymar tao amin’ny PSG, tamin’ny fotoanandrony. Izay rahateo no tadiavin-dry zareo ka andrasana aminy. Tsy nanafina ny Coach Rôrô: ny asa atao mitovy ihany fa ilay andraikitra amin’ny fitazomana ekipa no samy hafa. “Zava-dehibe amiko ny fandehanana any satria mahita zava-baovao hafa noho ny teto Madagasikara”, hoy izy.
Tsy nametraka fepetra goavana izy, raha ny voalazany. Nanaiky ny hitondrana teknisianina iray miaraka aminy ny Al Merrick. Tafiditra anatin’ny fifanarahana koa ny vady aman-janany. Tsy mbola nanambara ny anaran’ilay teknisianina izy, ho fiarovana ilay olona. Mbola misy ny zavatra maro karakaraina. Izay no tsy mbola hiaingany hamonjy ny Al Merrick. Nifanojo ny zavatra notadiaviny sy ny irian’ity klioba any Soudan ity. Ny asa izany sisa andrasana aminy. Ankoatra izay, fantatra fa efa handoa ny ambin-karamany tamin’ny nitondrany ny Barea, ny federasionina malagasy (FMF), atsy ho atsy.
Tompondaka




