Fankalazana telo sosona no hotanterahina ny sabotsy 15 aogositra ho avy izao, ao amin’ny efitrano Havoria Anosy. Eo ny taon-jobily volafotsy (50 taona) ny Sampana Tanora Kristianina (STK) Tia FJKM Andraisoro Kristy Fehizoro. Ny faha-35 taona namoronan’Atoa Razafindrazaka Handrisoa, hira fiderana tao amin’ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana, FJKM Tranovato Fitiavana Toamasina ary ny faha-25 taonan’ny Rantsana Fialamboly sy Fanatanjahantena (RFF) ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Noho ireo tombon-taona ireo, nanapa-kevitra ny tomponandraikitra fa atambatra iray ny fisaorana sy fiderana ary ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Hisy kaonseritra iray lehibe nomena ny lohateny “Asandrato”, iarahan’ireo antoko mpihira telo tonta ireo. Hotanterahina ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ny sabotsy 15 aogositra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora folakandro.
Hiavaka ny seho, satria, ankoatra ny seho hiakaran’ny tsirairay sehatra. Hisy koa fiarahana mihira. Anelanelana ny rindran-kira ny fanomezana tenin’Andriamanitra. Matihanina ny jiro sy ny haingon-tsehatra. Nosafidiana ho teny faneva ny soratra masina nalaina tao amin’ny Isaia toko faha-40 andininy faha-9 : «Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra. Lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe : Indro Andriamanitrareo».
HaRy Razafindrakoto




