Niravona ny savorovoro niteraka tsy fifankahazoana teo amin’ireo mpiasam-panjakana mpanao fanatanjahantena, ny amin’ny fifidianana filohan’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Tapaky ny rehetra fa notazomina ny daty hanatontosana ny fifaninanam-pirenena, hotanterahina any Manakara ny 17 – 29 aogositra ho avy izao. Ankoatra izay, haverina ny fifidianana izay ho filohan’ny Asief ka anisan’ny nampiseho «fair-play» nanaiky izany Andrianarison Jean Aimé (John Love), filoha mitondra ny fikambanana ankehitriny. “Noho ny tombontsoa ambonin’ny mpiasam-panjakana no hanekeko hamerenana ny fifidianana”, hoy izy. Samy manolotra olona efatra ireo kandidà, handrafitra ny komity hikarakara ny fifidianana miampy ny an’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny asam-panjakana. Ao anatin’ny 30 andro no hamerenana izany ka ireo kandidà efatra efa nifaninana tamin’ny volana avrily ihany no ekena hiatrika izany.
Tompondaka




