SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Maputo renivohitr’i Mozambique ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja tenisy, sokajy U12 lahy sy vavy. Enina mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ka telo lahy ary telo vavy. Mitarika azy ireo sady kapitenin’ny ekipa malagasy, i Aina Rafolo.

Nanapa-kevitra ny filohan’ny UBMT, taranja tsipy kanetibe fa hampody an-tanindrazana ireo mpilalaony telo mirahalahy fa tsy hanohy intsony ny «Tournoi estival», tanterahina any France. Anton’izany, raha ny vaovao navoakan’izy ireo, ny tsy faneken’ny federasionina hampilalao an’i Zigle na i Yves izay efa navelan’ny Decines malalaka tsara.

Na resin’i Mali tamin’ny isa 53 no ho 44 aza ny Ankoay, teo amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny Afrobasket U18, sokajy zazalahy, dia mbola tafita hiatrika ny ampahefa-dalana izy ireo. Ity fihaonana ity dia notanterahina tany Abidjan, ny alahady lasa teo. Ho fantatra eo izay hifanandrina amin’ny Ma­lagasy amin’izany.

Partager sur: