Mbola mitohy mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF) sy ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôro), eo amin’ny resaka karama tsy voaloa. Nohamafisin’ity mpanazatra malagasy ity fa mbola misy 120 000 dôlara, ny ambim-bolany tsy voaefa.
Na efa namaly mahakasika ny fandoavana ny karaman’ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôro), aza ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny alahady lasa teo. Tsy nanaiky fa mbola nanamafy tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao indray omaly ny Coach Rôro fa misy ny ambim-bolany tsy voaefa. Tsiahivina fa efa nanaiky ny fisian’izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. “120 000 dôlara ny totalin’ny volako tsy mbola voaloa nanomboka ny volana novambra 2024 ka hatramin’ny oktobra 2026”, hoy izy.
Notsiahiviny tao anatin’ny fanambarana fa maharitra 36 volana ny fifanekena teo aminy sy ny federasionina ary tsy azo ahena. Ho tapitra amin’ny 31 oktobra ho avy izao, izany. Raha ny voalazany, tsy mbola nametraka taratasy fialana tsy ho mpanazatra ny tenany ho fanajana ny fifanarahana. Tokony misy fihaonana eo amin’ny roa tonta, telo volana mialoha ny hahataperan’io, saingy tsy nisy izany ka nahatonga azy, handeha any Soudan.
Nanakiana ny FMF ihany koa ny tenany, ho mamadika ny fifanarahana. Voalazan’ity mpanazatra malagasy ity fa na nisy aza ny fangalan’ny FMF mpanazatra vahiny ny volana novambra 2024, mbola nankinina taminy ny fifanintsanana sy ny fandraisana anjara amin’ny Chan 2025. Teo no nitranga ity tsy fandoavana karaman’ny Coach Rôro ity, raha ny ao anatin’ilay fanambarana. Na izany aza, mbola tongany tany amin’ny famaranana Chan ny Barea ka nahazoan’ny federasionina malagasy (FMF), vola 1 200 000 dôlara. Raha izany ny valin-kafatra avy amin’ny Coach Rôro, ilaina ho fantatry ny rehetra kosa ny taratasy milaza fa ny Barea A ihany no misy fifanarahana eo amin’ny FMF sy ny mpanazatra.
Tompondaka




