SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny Rallye du Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny hazakazaka fiarakodia. Fifaninanana karakarain’ny klioba Go Janga. Miisa 35 ireo mpanamory hiady lohany, amin’ity andiany faha-19 ity.

Hifarana anio, eny amin’ny Soa tanàna Ambohimanga ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “Championnat des Nations”, taranja volley-ball la­laovina ambony fasika na ny “beach volley”. Fifani­nanana ho an’ny sokajy lahy sy vavy. La Réunion, Maurice, Comores ary Madagasikara no miady izay ho tompondaka amin’izany.

Ny 26 ka hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao, ny hanatontosana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga amin’ny taranja ping-pong. Hampian­trano izany ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ny sokajy rehetra lahy sy vavy no hifaninanana amin’izany.

Partager sur: