Laharana fahadimy ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny “Afrobasket”, sokajy lehilahy U18. Fifaninanana tanterahina any Abidjan Côte d’Ivoire. Fandresena roa nanoloana an’i Gabon sy i Maroc ary faharesena tokana tamin’i Mali, ny vokatra azon’izy ireo ka mametraka azy amin’io laharana io. Na izany aza, tafita hiatrika ny dingana ampahefa-dalana ry zalahy ka hifandona amin’ny Lion de la Teranga Senegal, laharana fahefatra. Lalao hotanterahina rahampitso alakamisy. Senegal, nitovy vokatra tamin’ny Ankoay, nandresy indroa, tamin’ny fifanandrinana tamin’i Rwanda sy i Tunisie ary resy indray mandeha raha nifandona tamin’i Cameroun. Ho an’ireo fihaonana hafa, ny Voromaherin’i Mali hifampitana amin’i Voromaherin’ny Carthage Tunisie. Ny elefantan’i Côte d’Ivoire hifanazava amin’ny Faraonan’i Egypte ary ny Liona tsy voafolak’i Cameroun hikatroka amin’i Tchad. Hifandona amin’izay tafavoaka eo amin’i Mali sy i Tunisie ny Ankoay raha tafavoaka eo, amin’ny manasa-dalana.
Mandra-piandry izany, nanainga omaly ny Ankoay vehivavy olon-telo miaraka, hiatrika ny Fiba 3×3 Womens series. Fihaonana hotanterahina any Singapour ny 13 sy 14 aogositra ary any Bangkok ny 22 sy 23 aogositra ho avy izao. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, i Koloina sy i Sarobidy, miampy an’i Sydy sy i Sambatra.
Tompondaka




