Ho ambohipihaonan’ny mpitia ny taranja judo indray ny renivohitr’i Toliara, manomboka rahampitso. Hotanterahina mandritra ny hateloana any an-toerana mantsy ny andiany faha-30 amin’ny “Tournoi du Capricorne”. Judokas 300 isa no hiady ny lohany, amin’izany.
Hanomboka, rahampitso 14 ka hatramin’ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny “Tournoi du Capricorne”, eo amin’ny taranja Judo. Fihaonana hotanterehina ao amin’ny kianja mitafon’i Tsenengea Toliara ary karakarain’ny ligy Atsimo Andrefana sy ny Club du Capricorne School ary eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny judo (FMJ).
Hahatratra 300 mianadahy mianaka ka 172 ny lehilahy raha 128 ny vehivavy, avy amin’ny klioba 26 sy ligim-paritra miisa 7, manerana an’i Madagasikara, no hiady ny lohany amin’izany. Hisy sokajy enina avy na eo amin’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Ny “poussin(e)”, ny “Benjamin(e)”, ny “minime”, ny “cadet(te”, ny “junior” ary ny “senior”. Haharitra 1mn 30 ny ady eo amin’ny “poussin(e)”, raha 2 mn ny an’ny “Benjamin(e)”. 3 mn kosa ny an’ny “minime” ary 4 mn ny an’ny “cadet(te)” sy ny “junior” ary ny “senior”. Misokatra ho an’ny judokas rehetra ny fifaninanana rehefa hatolotry ny klioba mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Federasionina malagasin’ny judo. Manana kara-pilalaovana voamarina ho an’ny taom-pilalaovana 2026, miaraka amin’ny taratasy fanamarinan’ny mpitsabo amin’ny fahafahana miatrika fifaninanana.
Tsy voafetra ny isan’ny mpikatroka atolotry ny klioba amin’ny sokajy iray. Ankoatra izay, ho an’ny isan-tarika misy ny “Trophée Akira Kai”, ahitana mpikatroka 10 ka 5 lahy (-60 kg ; -66 kg : -81 kg ; -90 kg ; +90 kg). 5 vavy (-48 kg ; -52 kg ; -57 kg ; -63 kg ; +63 kg). Ho an’ny “Trophée AZAD Remi” sokajy zandriny ka 5 lahy (-26 kg ; -34 kg ; -42 kg ; -50 kg ; +50 kg) ary 5 vavy (-25 kg ; -36 kg ; -40 kg ; -48 kg ; +48 kg).
Tompondaka




