Nifarana ny talata lasa teo, teny Soa tanàna Ambohimanga ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “Championnat des nations”, taranja beach volley na ny volley-ball lalaovina ambony fasika. Fifaninanana ho an’ny sokajy U18 aty amin’ny faritra faha-7. Fihaonana nokarakarain’ny kaonfederasionina afrikanina (CAVB) sy ny Federasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB).
Nanjakan’ny ekipa vahiny ny fihaonana satria norombahin’izy ireo avokoa ny medaly volamena. Ho an’ny vehivavy, lasan-dry zareo Renionezy, tamin’ny alalan’i Naomie sy i Anna rehefa nandresy ny ekipa malagasy nisy an’i Fedrianah sy i Safidy. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 2 no ho 1 (21/14 ; 18/21 ; 15/11) i Madagasikara. Teo amin’ny lehilahy indray, adin’ny samy ekipa vahiny ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka i Comores, nisy an’i Elyas sy i Satoul raha nandavo an’i Manoah sy i Victor avy atsy La Réunion, tamin’ny seta 2 no ho 1 (21/18 ; 16/21 ; 15/13). Samy naneho ny fahafaham-pony avokoa ireo mpandray anjara, tamin’ny fikarakarana ny fifaninanana.
Tompondaka




