SOMBIM-BAOVAO

Misongadina any France amin’izao fotoana izao, Rakotoarivelo Julio Traille Noé, Malagasy mpilalao rugby. Ao amin’ny klioba Pertuis izy no milalao ary mitana ny toeran’ny “trois quart centre”. Zanak’i Mboazafy Rakotoarivelo (Razily), mpanazatra ny Cosfa sy ny Makis de Madagascar, ny tovolahy.

Efa miditra amin’ny lalao miverina ankehitriny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny taranja baolina kitra sokajy D2 National sy ny vehivavy. Raha teo amin’ny vehivavy, mbola misongadina ny Disciples FC rehefa nandresy ny JSM tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0, omaly tany Antsirabe.

Tafita hiatrika ny “Mondial 2027”, taranja baolina kitra, vehivavy, izay tanterahina any Bresil ny Lions de l’Atlas Maroc sy i Algerie. Nahazo izany tapakila izany izy ireo rehefa nandresy an’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Algerie ary nanilika an’i Afrika Atsimo tamin’io isa io ihany koa i Maroc.

Partager sur: