Kanto mifameno”: Hanampy an’i Poopy sy ry Johary i Njila

Mihafeno ihany, sady “mifameno”. Fantatra fa ho avy handray anjara amin’ny seho etsy amin’ny CCI Ivato koa i Njila.
Poopy sy ny tarika Johary no hiaraka hampiara-peo an-tsehatra indray. Izay no niaingan’ilay “Kanto mifameno”, hotontosaina etsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady 16 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Vaovao lehibe nambaran’ny Live Prod, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly: ho avy handray anjara koa i Njila.

“I Poopy sy ny tariny manao ny azy, ny tarika Johary hanana ny anjarany. Hisy avy eo ny hiranay iarahana amin’i Poopy ary ny hirany hataonay miaraka koa. Ankoatra ireo, iarahanay ihany koa ireo hiran’i Njila, ka tsy hihoatra ny hira 40 ve izany?”, hoy ny vazivazy sary tenany nataon’i Gothlieb. “Famerenana ny fiarahana efa nisy taloha ny anay. Nisy ilay rakikira “Handao handihy” niarahana tamin’ny tarika Johary, haverina amin’io. Ry zalahy ireto efa mpanao Njila teny ambony tamboho, avy eo efa mpiaraka an-tsehatra aminy taty aoriana. Izaho moa tao amin’y tarika Njila mihitsy no nanomboka…”, hoy ny fanamafisana nataon’i Poopy.
Ahitana ny endrikendriky ny filaharan’ny hira, izay tombanana ho eo amin’ny ora 4 eo izany. “Tsy hataonay ambanin-javatra ny lafiny teknika, satria tafiditra anatin’ilay “Kanto mifameno” koa izay, miaraka amin’ireo mpankafy”, hoy kosa i Tantely Ralalarison, mpikarakara avy ao amin’ny Live Prod. Toerana mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny kalitaon’ny feo rahateo ny CCI Ivato, ka izay no nahatonga ny safidin’ny mpi­karakara nirona tany. Ha­treto, io seho tokana io ihany no anatin’ny fandaharam-potoana iarahan’ireto mpanakanto ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: