Feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly… Tsy izay fotsiny anefa no nitarafana ny fahombiazan’ilay seho «Kanto mifameno», fa ny fisongadinan’ilay tsikombakomban’i Poopy tamin’ny tarika Johary teny an-tsehatra, izay namoaka ilay lohahevitra. Kely loatra indray aza ny efitrano raha ny haben’ny seho sy ny lazan’ireto tarika roa tonta ireto no hamaritana azy, indrindra ny fankafizan’ireo mpijery, tsy namela na hira iray aza ka tsy niarahany tamin’ireo teny an-tsehatra. «Ndao handihy» no nanombohana azy, hira efa niarahan’ny roa tonta tany ambadiky ny 30 taona lasa tany… Nanaraka avy eo ny sanganasan’i Poopy, ny an’ny tarika Johary. Nafana indrindra, izay mendrika fampisehoana hafa mitokana mihitsy, ny fiarahan’i Njila tamin-dry zareo teny an-tsehatra. Toa nandeha hoazy toa ireny tarika iray ireny, nentim-pitiavana ka nitety vanim-potoana tamin’ireo hira tsy tontan’ny ela. Mila famerenana iny.
Zo ny Aina




