Volley-ball – « Mada D2 »: Horaisin’ny ligin’ Analamanga

Tsy misy fialantsasatra fa mitohy avy hatrany ny fandaharam-potoana ho an’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball (FMVB). Taorian’ny fandraisana ny “Championnat des Nations U18), hiditra amin’ny fifaninanam-pirenena dia ny amboaran’i Madagasikara D2, lahy sy vavy, indray ry zareo. Hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao izany, ka hampiantrano ny fihaonana ny ligin’ Analamanga. Hatao ao amin’ny Kianja mitafon’Ankoron­drano.
Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ireo ekipa eo ambany fiahian’ny federasiona. Tsy voafetra, araka izany, ny isan’ny klioba hifaninana. Mila manana kara-pilalaovana D2 ho an’ny taom-pilalaovana 2025-2026 voamarin’ny ligy niaviana ireo mpilalao rehetra hifaninana. Tsy ekena kosa ny fampidirana mpilalao hafa manatevina ny ekipa. Manaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninananan’ny federasiona ny lalao re­hetra. Mivoaka ho mpandresy ny ekipa mahazo seta 3. 300 000 Ar isaky ny ekipa no saran’ny fandraisana anjara ary isan-tsokajy. Hahazo amboara ny ekipa 3 voalohany.

Tompondaka

Partager sur: