Handball – Afrika 2026: Hivondrona amin’ity herinandro ity ny Akio

Afaka andro vitsy sisa dia hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, ho an’ny sokajy “Cadets” sy “Juniors”, lehilahy, izay hatao ao Abidjan. Ny volana septambra ho avy izao no hanatanterahina izany. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny ekipa nasionaly malagasy Akio.
Raha tsy misy ny fiovana, hatao amin’ity herinandro ity, eto an-dRenivohitra, ny fampivondronana ho an’ireo mpilalao voafantina handrafitra ny Akio Juniors. Io no nambaran’ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny handball, i Sylvestre Tsiahoua, omaly. Marihina fa ny fifanintsanana afrikanina ho an’ny Juniors dia hatao ny 5-12 septambra ho avy izao. Ny 15-22 septambra kosa ny an’ny “cadets”.
Samy ao amin’ny vondrona “B” ireo solontena malagasy roa ireo, ary miaraka amin’izy ireo isan-tsokajy ny ekipa nasionalin’i Algerie izay efa niatrika ny fifananana maneran-tany, ny taona lasa teo.

Fitia Randria

Ireo vondrona misy amin’ity Can handball ity:
Ho an’ny “Juniors” :
A : Côte d’Ivoire, Guinée, Rwanda, Zimbabwe
B : Algérie, Angola, Nigeria, Madagasikara
C : Tunisie, Lybie, Bénin, Kenya
D : Egypte, Cameroun, RD Congo, Congo
Ho an’ny “Cadets”:
A : Egypte, Cameroun, Congo
B : Algérie, Madagasikara, Tunisie, Nigeria
C : Maroc, Lybie, Rwanda
D : Guinée, Côte d’Ivoire, Zambia, Burundi

Partager sur: