Ho fantatra ny faran’ity volana ity ny orinasa hanamboatra ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré fa orinasa avy any ivelany no hiandraikitra izany.
“Kianja an-dalam-panamboarana…?” Nilaza ny minisitry ny Tanora, omaly, tetsy Mahamasina, fa efa mamaramparana ny resaka tolobidy mahakasika ny orinasa hiandraikitra ny bozaky ny Kianja Barea ny minisitera tantaniny sy ny kaomisionina manokana misahana izany. Nambarany koa fa hanomboka amin’ny volana septambra ny asa.
Raha ny fanazavany, orinasa iraisam-pirenena, avy any ivelany no hisahana ny fanamboarana ilay bozaka safiotra hapetraka eo amin’io kianja io.
“Hampiavaka azy amin’ity, orinasa iraisam-pirenena, tsy maintsy manana fankatoavana avy amin’ny Kaonfederasiona afrikanina na efa nahavita bozaka nankatoavin’ny Caf tany amin’ireo firenena hafa no hosafidiana,” hoy ny minisitra.
Nomarihiny hatrany fa hisy ny fanafaran’io orinasa io sy ny minisitera teknisianina avy amin’ny Caf mba hahafahana manafaingana ny fanamboarana ny kianja sy ny hahazoana ny fankatoavana maharitra. Nanamafy ity lehiben’ny Fanatanjahantena ity fa hiezaka hatrany izy ireo hamerina ny lalaon’ny Barea etsy Mahamasina.
Hilalao any ivelany
Haharitra telo na efa-bolana eo ny asa fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina, raha ny fanazavan’ny minisitra hatrany. Tsy maintsy any ivelany indray izany ny ekipam-pirenena no hampiantrano ny lalaony mandritra ity taona 2026 ity. Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 2024 no nanomboka tsy nijery ny Barea tao Mahamasina intsony ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Mbola mangetaheta ny hiverenan’izany izy ireo, ankehitriny.
Fitia Randria




