SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any amin’ny ligin’i Amoron’i Mania ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny sokajy zandriny, U16 lahy sy vavy, taranja basikety. Mialoha izany, hisy ny fivoriana teknika hatao rahampitso, ho an’ireo ekipa rehetra handray anjara.

Nitohy omaly, tao Rognac, ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny «Masters 2026”, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, lehilahy. Anisan’ireo tafita amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipan’ny Etoiles du Sud, misy an’ireo malagasy mpilalao dia i Yves sy i Zigle.

Nanetriketrika ny fandraisan’ny vahoaka Kameroney ny Lionnes Indomptables, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, tao Yaoundé, ny talata lasa teo. Izy ireo izay nandrombaka ny tompondakan’i Afrika (Can 2026) notanterahina tany Maroc. Resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Malawi, nandritra ny famaranana, ny alahady 16 aogositra 2026 teo.

Partager sur: