« Tapôlaka Glady Timeless” : Hampiainana ny sanga­na­san’i Rossy ranoiray

Anatin’ny fanomanana faramparany ny ekipa. Efa mipetrapetraka, saingy mbola maro ny pitsopitsony, satria goavana ny hetsika homanina. Tsikaritra izany nandritra ny fitsidihana sady fihaonan’i Rossy sy ny ekipany tamin’ny mpanao ga­zety, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina, omaly. Ao no hanatontosana ilay “Tapôlaka Glady Timeless”, ny sabotsy 22 aogositra izao, hanomboka amin’ny 2 ora.
“Nisy ny fangatahanareo marobe hoe hataovy daholo ireo hira taloha, eny tompoko! Dia hoe aleo Rossy irery fa manjary tsy ampy ny fotoana, eny tompoko. Hiran’i Rossy ranoiray no hatao ao. Ireo tsy lefin’ny fotoana, satria izay ilay Timeless. Ny Tapôlaka Glady kosa dia noforoninay efa ela, natao hanabontsinana sanganasa iray araka izay tratra amin’ny kalitao. Izao efa maro ny fitaovana raitra sy manaraka ny teknolojia, ireto efa tazanareo ampiasaina ireto daholo”, hoy ny famintinana nataon’i Rossy.
Hatombony amin’ireo hira malefadefaka izay hananany maro ny fampisehoana. Ho­tohizan’i Rossy hanaraka ny vanim-potoana nisongadinany avy eo: “Bal kabaosy”, “To­many ny angorodao”, “Bapampa be”, sns. Ho avy eo ireo namany niray sehatra taminy tamin’ ireo vanim-potoana ireo. Homena sehatra koa ireo mpandimby, satria nampita fanilo i Rossy, raha ny nambarany hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: