Fiverenana ifotony : Lany andro mifampitsikera ny Malagasy

Manomboka mifoha ireo natoritory. Mipoitra ny atsy, miseho ny aroa. Samy manatanteraka hetsika ho fampahafantarana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ireo fomba amam-panao niainan’ny Mala­gasy fahiny. Mitombo isa mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fifampitsikerana. Tranga mifanohitra tanteraka amin’itsy tanjona tratrarina. Fahiny, nahay nifanohana sy niray hina ny Malagasy. An­kehitriny, hiverina eny ifotony, kanefa, lany andro amin’ny fifampitsikerana izay azo an­toka fa miafara amin’ny fisaraham-bazana. Nanjary sarotra amin’ny Malagasy ny mifam­piresaka, mifampihaino, mifanaja? Raha ireo no very, amin’ ny fomba ahoana no hiverenana any amin’ny fototry ny kolontsaina, zavakanto, fomba amam-panao, sns?
Na mitovy aza ny tanjona, anisan’ny antony miteraka ny fifampitsikerana ny « fiheveran-tena ho… ». Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahala­lana tantara. Ny fitiavana sy ny finiavana handiso ny hafa. Ny fihinanana amam-bolony ireo « laza masaka » nataon’ny vahiny sy ny zaza navelany, sns. Mila resen’ny Malagasy ny tahaka ireo raha te hiverina ifotony amin’ny kolontsaina sy zavakanto ary fomba amam-panao. Raha tsy izany, ho lany andro hifampitsikera eto. Na ihany koa, hiseho amin’ny endrika ivelany fotsiny ny fiverenana ifotony, ka tsy hitera-bokatsoa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: