Roa lahy mpividy solika halatra voasambotry ny polisy teny Tanjombato, afakomaly. Saron’ny polisy ny lehilahy iray nitondra zerikanina mavo. Voamarina fa halatra ny solika izay avy nalaina tamin’ny fiarabe iray teny amin’ny faritra Forello.
Mpianaka may vokatry ny haintrano tao Ambalakazaha, kaominina Masoarivo, distrikan’Antsalova, Faritra Melaky, omaly. Ravan’ny afo ny trano niampy ny tahirin-tsakafo tamin’ny gony.




