Sabatra roa lela

Fihavanana? Tsy misy teny vahiny tena mahadika azy. Iavahan’ny Malagasy, mahasaro-piaro… Hatraiza no tena fahatakarana sy fanajana ary fiainana azy? Indrindra amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Zava-dehibe ny nisian’ny fihavanana na filongoa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny lehiben’ny mpanohitra ary ny kestoran’ny Antenimierampirenena teo aloha, tany Ambovombe, ny faran’ny herinandro teo. Faniriana ny hanatanterahana izany manerana an’i Madagasikara; eny, misy aza ny manatsatso hoe: inona moa no hihavanana na hampihavanana nefa tsy niady? Tsy lavina, tsy nisy tokoa ny ady mivantana, fa misy tantara sy toe-po aman-toe-tsaina tsy afaka amin’ny sasany eo amn’ny fiaviana, foko, firazanana… Na ny filazana na firesahana izany aza, mety manafintohina ny sasany.
Tsy vitan’izany, hafa ihany ny hoe mihavana: ny havana ihany no havana. Hisian’ny fifampitokisana sy fifanomezan-tanana ary firaisankina amin’ny fampandrosoana. Lazain’ny mpandinika sasany fa iainan’ny Malagasy isan’andro tokoa ny fihavanana, saingy mibirioka any amin’ny tsy izy indraindray: hararaotina iadiana na itadiavana tombontsoa manokana, ohatra, noho ny fahalalana olona amin’ny fihavanana: lalana ambanin’ny tany? Izay no anisan’ny fositra mahatonga ny firaisana tsikombakomba ratsy, fahazoana tombondahy manokana, fanaovana kolikoly…
Ahoana àry no ampiasana sy iainana ny fihavanana ho amin’ny lafitsaran-javatra na fampandrosoana? Ilaina izay amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao. Manomboka eo amin’ny tsirairay izay. Mby aiza? Tena mihavana ve ny Malagasy? Mahatsiaro sy miana ho iray ihany? Sabatra roa lela io, manimba ary mitondra ho amin’ny ratsy toy izay nampiasan’ny sasany azy izay ela izay, rehefa tsy iainana ho amin’ny tsara.

R. Nd.

Partager sur: