ASIEF – Fifidianana naverina: Mbola lany ho filoha i John Love

Voafidy ho filohan’ny Fi­kambanana misahana ny fa­natanjahantena iraisan’ny mi­nisitera sy ny andrimpanjakana na Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires) indray Andrianarison Botosera Jean Aimé (John Love). No­tan­terahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany, omaly. Tsiahivina fa naverina ity fifidianana ity noho ny fangatahan’ny maro izay noheverina ho nisy tsy fanarahan-dalàna. Fe-potoana fanintelony hitondrany ny Asief ity. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra, 84 ireo manan-jo hifidy, saingy tsy tonga ny iray ka 83 ny nanatanteraka izany. Taorian’ny fanisana, nahazo vato 48 i John Love, raha 33 ny an’i Sambesoa Masinaraka. 2 kosa ny vato maty.
“Ny fandreseko anio dia fandresen’ny mpiasam-panjakana manao fanatanjahantena. Isaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny fikarakarana. Miantso ny mpiasam-panjakana rehetra hiray hina hatrany aho”, hoy izy taorian’ny famoahana ny voka-pifidianana. Tsiahivina fa kandidà efatra no tokony hifaninana, saingy niala an-daharana ny roa.
Hotanterahina manomboka ny alahady ho avy izao, tsy hifarana raha tsy ny 5 septambra 2026, any Manakara, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny Asief.

Fitia Randria

Partager sur: