Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira.
“Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy mahasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady ny Sekoly Farafangana (Semafa), Faritra Atsimo Atsinanana, izay ivontoeram-pampianarana olona manana fahasembanana na toe-tena varira, omaly. Na izany aza, tsy maintsy fongorina ny mpanao ratsy. Amin’izany, manao izay vitany ny fitondram-panjakana. Tsy ho vita rahampitso dia rahampitso ny ady amin’ny fakana olona manana toe-tena varira, araka ny nambarany. Samborina ny eto, mihetsika ny atsy; asiana zandary eto, mivoaka ny asan-dahalo any ambadika any…
Zaza efa-bolana no zandriny indrindra tezaina ao amin’ny Semafa, ary 35 taona ny zokiny indrindra. Raha tokony ho 40 ihany no zakan’ny sekoly, mahatratra 143 izany noho ny hamaroan’ny fangatahana hametraka zaza varira any an-toerana. Manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ny 96 amin’izy ireo. Noho izany, nankahery ireo mpitaiza sy mpanabe ny filoha, ary nanolotra vola 20 tapitrisa Ar ho fanampiana azy ireo amin’ny sakafo sy fitafiana ary kojakoja ilaina andavanandro. Nambarany ny fisian’ ny ivontoerana maoderina natsangan-dRto vadiny, Randrianirina Elisa, ao Ihosy: misy toeram-pivavahana, fitsaboana, fianarana… Misy toy izany koa any Toliara, izay ambenan’ny mpitandro filaminana. “Tsy tia manao fampanantenana izahay fa ho hita eo ny azo atao amin’ny fanampiana ny ivontoerana Semafa mba hanatsarana azy sy hahazoan’ireo ankizy miaina amim-pilaminana izany”, hoy ny Filoha.
R. Nd.




