Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : ”Ny samy Malagasy no mandamina ny firenena”

”Ny Malagasy samy Mala­gasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy fa isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’ny famaritana ny hoavin’ny firenentsika.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Ma­mi­tiana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, namory ireo sokajin-kery na olona manana solontena ao amin’ny komity teknika misahana ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nohazavainy tamin’ny antsipiriany, tamin’ izany, ny didim-panjakana mamaritra ny andraikitra sy ny firafitry ny komity teknika. Eo koa ny antony sy ny tanjona lehibe amin’ny fananganana azy sy ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Fotoan-dehibe hiatrehana sy hamahana ireo olana fototra mampiverimberina ny krizy eto Mada­gasikara io ka tsy tokony havela handalo fotsiny, dingana manan-tantara ho an’ny fire­nena.
Aorian’ny fihaonana, hiverina any amin’ny sokajin-kery na olona misy azy avy ireo solontena, hifampidinika sy hanolotra ireo anarana hotendrena ho mpikambana ao amin’­ny komity teknika. Asa masina ho an’ny firenena no namaritan’ny Praiminisitra ny andraikitr’izay ho ao amin’ny komity. Izy ireo no handinika sy hitondra tolo-kevitra amin’ireo lafin-javatra marolafy mba hahatomombana sy hahombiazan’ny fanomanana ary ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Tanjona ny hametraka sehatra hahazoan’ ny Ma­lagasy miara-mandinika sy miara-mamaritra ary miara-manorina vahaolana maharitra ho an’ny firenena. Hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­vaozana sy ny FFKM ny ko­mity teknika, izay eo ambany fiahian’ny Prai­minisitra.

R. Nd.

Partager sur: