“11 taona aty aoriana …!” Araka ny vaovao mahoraka any ivelany, fantatra fa hiverina hiakatra kianja ary hilalao ao amin’ny klioban’ny Ravenne, diviziona fahatelo ao Italia, ilay kintan’ny baolina kitra brezilianina, i Ronaldo de Assis Moreira na i Ronaldinho Gauchò. 46 taona izao ny lehilahy ary efa tany amin’ny taona 2015 izy no nilalao baolina kitra farany, teo amin’ny sehatry ny matihanina tao amin’ny klioba brezilianina, Fluminense FC.
Raha ny fikarohana natao, mitondra ny laharana faha-10 ao amin’ity ekipa italianina ity izy. Raha ny fahitan’ny mpamakafaka baolina kitra any ivelany izany, karazana dokambarotra an’ilay ekipa ihany ity nangalana an’i Ronaldinho ity satria efa maro sahady ireo olona hita milahatra mividy ilay akanjo misy ny anarany eny amin’ny trannombarotra.
Efa natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny klioba Ravenne ity brezilianina ity ary tanjony ny hamerina ny lazany indray eo amin’ny sehatra matihanina. Ampahafantarina ihany fa efa nahazo ny baolina volamena, ny taona 2005, i Ronaldinho. Efa nahazo ny “Mondial 2002” niaraka tamin’i Brésil koa izy.
Fitia Randria
Ireo klioba nandalavon’i Ronaldinho :
1998-2001 : Gremio Porto Alegre (Brésil)
2001-2003 : Paris Saint Germain (France)
2003-2008 : FC Barcelone (Espagne)
2008-2011 : AC Milan (Italie)
2011-2012 : Flamengo (Brésil)
2012-2014 : Atletico Mineiro (Brésil)
2014-2015 : Queretaro FC (Mexique)
2015 : Fluminense (Brésil)
2026 : Ravenne (Italie)




