Fikambanan’ny poeta sy ny mpanoratra malagasy ny Havàtsa-Upem. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-74 taonany. Hisy ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra. Hetsika hotanterahina ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo Analakely anoloan’ny Lapan’ny tanàna.
Dia mizotra mankany amin’ny Garan’i Soarano. Mihodina mizotra mahitsy tahaka ny ho any Andohan’ Analakely. Mamonjy ny Tahala Rarihasina izay toeram-pahatongavana rahateo.
Ny olon-drehetra tsy ankanavaka no asaina hanatanteraka izany dia izany. Samy mitondra boky mirakitra haisoratra no sady mamaky teny amim-peo avo no mandeha.
Ankoatra ny fankalazana ny faha-74 taonan’ny Havàtsa-Upem, anisan’ny tanjona ao anatin’ny hetsika tahaka izao koa ny hamerenana ny lanja aman-kasin’ny boky sy ireo sanganasa voarakitra ao anatiny ary indrindra ny mpanoratra. Hanehoana amin’ny olon-drehetra indray fa na eo aza ireo heverina ho teknôlôjia mbola mitazona ny maha « loharano tsy ritra » azy ny vakiboky.
Marihina fa manomboka miverina any amin’io fampiasana sy fanomezan-danja ny boky io ireo lazaina ho firenen-dehibe, ankehitriny.
HaRy Razafindrakoto




