Notanana am-ponja, afakomaly, voasambotry ny polisin’ny Fip, ny jiolahy nanafika mpivarotra iray tao amin’ny Cité Valpinson, Toamasina, ny harivan’ny alakamisy 20 aogositra. Niantso vonjy ny mpivarotra ka nifanenjehan’ny fokonolona ireo mpanao ratsy. Tratra ny iray ary nahitana fitaovam-piadiana teny aminy.
Vehivavy nisoloky vola an-tapitrisa voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. Milaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny APMF sy ny ACM ity mpisoloky ity. Nangalany vola manodidina ny 2 600 000Ar hatramin’ny 14 000 000 Ar ny lasibatra.
Jiolahy namaky trano saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Vontovorona, ny alin’ny zoma 21 aogositra. Nifanenjehana ity mpanao ratsy ity sy ny namany rehefa sarona teo am-panaovana ny vaky trano. Tafaporitsaka ny namany raha toa ka tratra ny iray. Naratra mafy ka voatery nentina toeram-pitsaboana.
Mpivady niara-namaky trano tao Analavory voasambotry ny polisy ka notanana am-ponja, ny faran’ny herinandro teo. Sarona teny amin’izy mivady ny entana nangalariny.




