Notontosaina tao amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny zoma sy sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja haiady, savate, sokajy rehetra. Nahatratra 100 mahery ireo atleta nifanintsana teny an-toerana, avy amin’ny ligy enina. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Matsiatra Ambony, Itasy, Diana, Atsimo Andrefana, Vatovavy. Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, natao hanomanana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izay hatrehin’i Madagasikara ny volana novambra ho avy izao, any Dakar, ity fifaninanana ity. Hisy ny fifantenana ireo mpilalao hiatrika izany aorian’ny fifaninanam-pirenena. Efa nomena sehatra ihany koa ireo ankizy manodidina ny 12 taona. Ankoatra izay efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ny rafitra federaly ny federasiona amin’izao fotoana izao. Raha tsy misy ny fiovana, hovitaina amin’ity taona ity izany.
Fitia Randria




