Tapôlaka Glady Timeless : Nanamafy indray ny maha andrarezina an’i Rossy

Seho goavana sy tsara fiomanana. Iray amin’ireo nanamarika ny tantaran’ny hira malagasy tamin’ity taona 2026 ity ny Tapôlaka Glady Timeless.

Seho tsara rindra. Tsara fiomanana. Tazana sy niainana nandritra ilay seho goavana « Tapôlaka Glady Timeless » notantera­hina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina avokoa ireo. Fampisehoana an-tsehatra mbola nanamafy indray ny maha andrarezina an’i Rossy. Tsy lefin’ny vanim-potoana ny sanganasany… « Miomana fa hifety ary tena hisôma  isika », hoy i Rossy. Izay tokoa ny zava-nisy. Niainga tany am-boalohany ka hatramin’ny farany. Nifamatotra akaiky ny teny an-tsehatra sy ny mpijery. Anisan’ny nitondra ny traikefa matanjaka avy any aminy ihany koa ireo vahiny nasaina tamin’io fotoana io.
Nampihetsi-po ny maro ny nanaraka ny zava-nisy teny an-tsehatra nandritra ny fiarahan’i Rossy sy ny TGC nihira ny « Manana finoana ». Nia­raha tamin’i Raboussa ny « Hafatra », sns. Ny nanehoana ireo dihy fanao fahiny niaraka tamin’ ireo mpandihy vakodrazana. Ny dihy ankehitriny notante­rahin’ny Tsingory, sns. Naha­tanteraka ny fanamby nataony ihany koa ny Cool Concept Events sy ny Sôma Prod teo amin’ny lafiny teknika sy ny votoatin’ny seho rehetra.
Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny manamarika ny taona 2026 sy ny hoavy ma­naraka ny « Tapôlaka Glady Timeless ». Tsy eto an-toe­rana ihany fa hatrany ivelany, satria, tsara sy kanto ary nirindra fatratra ilay seho.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: