Tarika Loharano: Nomen-danja ny hira sy ny dihin’ny Ntaolo

Seho ankalamanjana na­nana endrika fampianarana sy fampitan-kafatra ary tsodrano. Notanterahina ny sabotsy teo ilay hetsika lehibe nanandratana ny « Hiran’ny Ntaolo sy dihin’ny Ntaolo » notantera­hina teo Analakely. Taorian’ny diabe niainga teny Ambohija­tovo izay nifarana teo anolo­an’ny Lapan’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra, notanterahin’ny tarika Loharano sy ireo vondrom-piarahamonina samihafa ny fanehoana ireo dihy sy hira fanaon’ny Ntaolo fahiny. Naseho sy nohaza­vaina ihany koa ireo hasina sy fomba voarakitr’ireny hira sy dihy ireny. Iray amin’ny lehibe indrindra amin’izany ny fampahatsiahivana fa mino sy mahafantatra tsara ary ma­naja fatratra an’Ilay Nahary ny Malagasy. Nampitain-dry zareo tamin’ireo nanatrika izany avy eo.
Anisan’ny antony nanatontosana izao hetsika izao, raha ny fanazavan’ny tarika Loha­rano, ny hamerenana indray ny kolontsaina malagasy mba ho fantatry ny Malagasy sy hiainany izany indray. Na ny fomba fitafy, ny zavamaneno nampiasaina, samy nohazavaina sy nampitaina ny zava-ponosiny sy ny hasina ana­nany.
Liana ireo nanatrika. An­tony iray nilazan’ny tomponandraikitra fa hotohizana ny fampahafantarana ny kolon­tsaina malagasy, satria, io no anisan’ny fototra mampijoro ny firenena iray. Io ihany koa no hampandroso azy fa tsy ireo indramina any amin’ny firenena hafa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: