Lehilahy hita faty tao amin’ny Tsena «Plaque» Akademia Antsirabe, omaly. Nisy afo efa maty teo akaikin’ity lehilahy namoy ny ainy ity. Anatin’ny fanadihadiana momba ny nahatonga ny tranga ny tomponandraikitra miasa ao an-toerana.
Zaza vao roa taona latsaka tao an-davadrano ka tsy tana ny ainy, tao Andranonahoatra, fokontany Ihazomay Atsimo, kaominin’Ankadinondry Sakay. Naka kitay ny reniny ka napetrany niaraka tamin’ny zanany vavy ilay zaza. Varian-dalao ilay zokiny, kanjo nikisika ary latsaka tao an-davaka ity zandriny.
Zazarano hita nisy nanary tao amin’ny torapasika ampitan’ny Hopitaly Be, kaominina Toamasina, omaly. Tsy fantatra ny olona tompon’antoka nanary ilay zaza.
Roa lahy tratra nangalatra nosoran’ny fokonolona karazan-javamaniry mampangidihidy atao hoe «Hagy» tao Ambatondazaka, omaly. Nentina nihazo ny mpitandro filaminana izy roa lahy taorian’io.




