Efa mby akaiky ny andro hiatrehan’ny FC Rouge ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération Caf 2026”. Mbola manantena fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo
amin’izao fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara izao.
Klioba hiaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC Rouge, ny volana septambra ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ity klioba ity, Rakotondramiara Hasina, afakomaly, fa tsy mbola nisy aloha ny fanampiana avy amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), saingy mbola manantena izany ry zareo. “Raha fanampiana avy amin’ny Federasiona no resahina, tsy mbola nisy aloha izany, hatreto, saingy mbola miandrandra izany izahay satria tsy mora ny zavatra miandry anay. Ny resaka hoenti-manana, matoky sy manantena izahay fa hanampy anay ny fitondram-panjakana izay, tia sy mankafy an’ilay taranja ka inoanay fa tsy hamela anay irery, satria voninahi-pirenena no harovana fa tsy ny anay irery”, hoy ny filohan’ny FC Rouge, Rakotondramiara Hasina.
Sambany hiatrika fifanintsanana afrikanina
Sambany hiatrika fifanintsanana afrikanina ny FC Rouge, ary ny ekipan’ny Red Arrows FC avy atsy Zambia no hifandona amin’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, ny 5 septambra ho avy izao ny lalao mandroso, any Zambia ary ny 13 septambra ny fifandonana miverina, atsy Maurice. Mbola hiatrika lalao iray, izay hanaovana lalao miverina amin’ny CFFA Andoharanofotsy, ny FC Rouge, anatin’ilay fifaninanana “Coupe des Champions”, izay vao handeha ho any Zambia. Notontosaina ny alahady teo, tetsy Iavoloha, ny lalao mandroso nihaonan’ireo solontena malagasy roa ireo.
Fitia Randria




