Tsy fanatanjahantena fotsiny ny baolina kitra fa sehatra ahafahana mifanampy! Tahaka izany hita tatsy Seychelles, ny faran’ny herinandro teo, rehefa nanaiky ny hanao lalao ara- pirahalahiana hanaovana asa soa ny Malagasy mpilalao baolina kitra teo aloha, monina any La Digue sy Praslin. Nifanandrina tamin’ireo mpilalao seyseloa fahiny izy ireo. Nandresy tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Malagasy. Nambaran’ izy ireo fa tsy ilay fandresena no zava-dehibe fa ilay fihavanana malagasy hanohanana an’i Marie Claire, seyseloa mankafy baolina kitra any an-toerana mandalo tsy fahasalamana. Anisan’ireo nilalao i Nicolas Simouri, mpilalaon’ny Scorpion de Madagascar teo aloha. I Hugo, efa nilalao tany Japon ary anisan’ireo mpamono baolina nikoizana tany Seychelles. I Viva (Ajesaia) sy i Florent (AS Adema). Teo koa i Christophe (Akademia Ny Antsika) sy i Valentin (Uscafoot). Ry Voavy Kassah (Ajesaia) sy i Roum (Ajesaia sy St Michel). Ankoatra ny maha hetsika hanaovana asa soa azy, natao hampiray sy hampihaona ireo samy Malagasy monina atsy Seychelles izy ity.
Fitia Randria




