Araka ny fampitam-baovao azo, handeha hanatevin-daharana an’i Zigle sy i Yves any amin’ny klioba Decines France, i Tianakely. Eo am-piandrasana ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny ligy sy ny FSBM ny tovolahy, ankehitriny. Tsy mbola fantatra kosa ny faharetan’ny taona hilalaovany any.
Mitohy ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U15 sy U 21, lahy sy vavy. Misongadina ny eo amin’ny U15 sy U21, sokajy vehivavy, teo amin’ny andro voalohany, izay samy nahazo fandresena avokoa.
Nitana ny laharana fahadimy ny Akomba Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja tenisy, U12, sokajy lahy sy vavy. Fihaonana notanterahina tany Maputo, ny 11 ka hatramin’ny 15 aogositra lasa teo.




