Mahajanga : tsy misy fikarakarana nandritra ny taona maro ny seranan-tsambo

Misy seranan-tsambo 17 samihafa eto Madagasikara. Sokajy voalohany, ho tombontsoam-pirenena (PIN)* sy sokajy faharoa, ho tombontsoan’ny faritra (PIR)*. Anisan’ny ny seranan-tsambo sokajy PIN i Mahajanga.

Maro amin’ireo sera­nana ireo mihasimba, tsy araka ny maha Nosy an’i Madagasikara, Se­ranan-tsambo anisan’ny lehibe sy matanjaka ny ao Maha­janga, hatramin’ny andron’ny fanjanahantany, repoblika voalohany sy faharoa. Ampy fotodrafitrasa sy fifandraisan’ ny fifampitohizan’ny fitate­rana amin’ny seranan-tsambo hafa, toa an’ Antsiranana. Ny vokatra fanondrana no tena noraisina tao Mahajanga, anisan’izany ireo hazan-dranomasina, indrindra ny makamba. Teo ihany koa nandritra ny taona maro ny vokatry ny fambolena: kafe, sns…
Na izany aza, tsy afaka mandray sambo lehibe i Maha­janga, indrindra amin’izao fotoana. Marivo efa hatramin’ ny ela, ary tsy nisy fanamboarana nandritra ny taona maro. Seranana manana halava 151 m sy alalin’ny rano 5 m, afaka mandray entam-barotra maro.
Iray ihany ny fitaovana tsy mihetsika (grue à terre) afaka mibata entana 35 t, ary 5 (raha mbola mandeha daholo) ireo fitaovana mandehandeha afaka mibata entana. 5000 m2, raha tsy misy simba ireo efitra fampangatsiahana, hitahirizana ny voka-dranoma­sina. Ankoatra izay, misy toerana maro, raha tsy simba, azo ametrahana ireo entana hafa.

Porofo fa tsy azo antoka ny seranan-tsambo sasany, ny any Toamasina no miantoka hatramin’ny 80 % ny entana aondrana sy entana tonga.

Ndrina

PIN* : Ports d’Intérêt National
PIR* : Ports d’Intérêt Régional

Partager sur: